Soa fa nahafantatra anao aho Jeso
soa aho fa nahay nino anao
fa mba taiza moa raha tsy akaikinao 
angamba efa rava sy lao
  Manam-pahasambarana loatra aho Jeso
  izany hoe miaraka aminao
  fa na misy aza ny ady sarotra
  toa maivana rehefa eo ianao ka...
Tano aho hanaraka anao
satria babonao,satria tia anao
ny hetrakatraky ny tany 
efa resinao, nentinao Jeso tia